Contribution of small nocturnal lemurs to seed dispersal in Madagascar: A review

Veronarindra Ramananjato
DOI: https://doi.org/10.1111/btp.13379
2024-09-11
Biotropica
Abstract:Only four species of dwarf and mouse lemurs out of 40 are currently known to effectively disperse seeds in Madagascar's forest ecosystems. Twelve additional species could be effective seed dispersers, but data are currently lacking to ascertain their actual contribution. Animal seed dispersers are crucial in tropical forests because they provide beneficial impacts to plants, from organisms to communities. Besides frugivorous species, omnivorous, small‐bodied, and nocturnal animals might also disperse seeds in their habitats; yet we know relatively little about their role and impacts. The Cheirogaleidae (dwarf and mouse lemurs) in Madagascar are examples of such animals, whose seed dispersal role has been overlooked until recently. Here, I provide an overview of their potential contribution to seed dispersal based on their ecological traits and future directions for studying seed dispersal ecology in Madagascar's forest ecosystems. The limited literature, published between 1971 and 2022, on the feeding ecology and seed dispersal services of the Cheirogaleidae shows that they could potentially disperse small‐sized seeds (<15 mm). Also, they could surprisingly take seeds relatively long distances away from the parents (up to 1 km) despite their small body mass, both in disturbed and undisturbed forest habitats. The passage of seeds through their guts could also enhance seed germination and seedling survival. Only four Cheirogaleid species out of 40 are currently demonstrated to be effective seed dispersers. Studying the seed dispersal by small‐bodied and nocturnal primates could greatly inform their long‐term conservation as it will provide information for better awareness of their ecological role and needs. in Malagasy is available with online material. in Malagasy (Fintina) Manana anjara asa lehibe amin'ny fanaparitahana vihy ny biby ao amin'ny ala tropikaly. Manome voka‐tsoa maro ho an'ireo tamba‐java‐maniry izy ireo, toy ny famindrana ny vihin'ireo karazan‐java‐maniry maro amin'ny toerana vaovao, fanamorana ny fitsimoky ny vihy, ary ny fiavaozan'ny ala. Ny ankabeazan'ny fikarohana hatreto nefa dia mampiseho fa ireo biby lehibe vatana sy mivelona amin'ny voankazo no tena mahomby, na dia fantatra aza fa mihinana karazam‐boankazo ihany koa ireo karazam‐biby hafa. Mbola vitsy noho izany ny fikarohana mahakasika ny fanaparitahana vihy ataon'ireo biby madini‐batana, mpivoaka alina, sy mivelona amin'ny karazan‐tsakafo maro. Ny fianakaviana Cheirogaleidae, izay mamondrona ireo karazana antsidy (Microcebus), matavirambo (Cheirogaleus), tsidy ala (Allocebus trichotis), tilitily (Mirza), sy tanta (Phaner) dia isan'ireo karazam‐biby zara raha fantatra ny anjara asany amin'ny fanaparitahana vihy raha tsy voa tato ho ato. Anatin'ity lahatsoratra ity aho dia nisivana sy namintina ireo voka‐pikarohana nanomboka ny taona 1971 katramin'ny 2022 mikasika ny fanaparitahana vihy sy fomba fisakafoan'ny Cheirogaleidae, izay misy taranaka dimy mizara ho karazana 40 ankehitriny. Hita ary fa afaka manaparitaka ny vihy madinika (<15 mm) amin'ny toerana lavitra sy amin'ny ala miasimba izy ireo. Ny fitelemana sy fandevonan'izy ireo voankazo kosa dia mampalaky ny fitsimohan'ny vihy sy ny fitomboan'ny zana‐kazo. Karazana antsidy sy matavirambo efatra ihany no mbola fantatra fa mahomby tsara amin'ny fanaparitahana vihy hatreto. Hita ihany koa fa mbola maro ireo torohay tsy fantatra mikasika ny karazan‐tsakafo sy fomba fisakafoana ary ny fomba fiainan'ireo Cheirogaleidae ireo. Mendrika ho hadihadiana anefa ireo satria izay no hahitana ny anjara asa marin'izy ireo amin'ny fandrafetana sy fiavaozan'ny ala. Toy izany koa, manoloana ireo ny tandidona mihatra amin'ny ankamaroan'ny biby eto Madagasikara, heveriko fa paikady mety hahomby ny mikaroka ny fanaparitahana vihy noho izany mety hanampy amin'ny fahalalana bebe kokoa ny fifandraisan'izy ireo amin'ny zava‐maniry ilainy, no mety hanamora ny fitandrovana azy ireo ihany koa.
ecology
What problem does this paper attempt to address?